4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy hitanao ny aleha (version 2002) - Mage 4

Tsy hitanao ny aleha

Tonga handona ahy ianao

Mitady hamerina ny lasa

Hiainana indray



Tomany ianao vao mahatsiahy

Marary izay vao sahy

Nilaza mbola tia , an! an!



Raha tsapanao mba mamy ilay fitia

Nandena ny endriko hatrizay

Nahoana ianao nandao



Ref: Hay ve ianao mety ho resy ihany

Fa nihevitra ianao tsy ho tia

Hay ianao hiverina ho aty

Hiteny ihany hoe:

"Maizina ny lalana ka avia

Ndeha hitantana ahy indray tsy ho very"



Tsy hisy hampangina eo

K’aza itomanianao intsony

Izaho raha nitomany

Tsy mba nampiononinao



Dia aza tanana ela intsony aho fa

Mba maika toa ilay ianao

Tsy nety hijanona iny ô! ô! ô!



Ref: Hay ve ianao mety ho resy ihany

Fa nihevitra ianao tsy ho tia

Hay ianao hiverina ho aty

Hiteny ihany hoe:

"Maizina ny lalana ka avia

Ndeha hitantana ahy indray tsy ho very"



Hay ve ianao mety ho resy ihany

Fa nihevitra ianao tsy ho tia

Hay ianao hiverina ho aty

Hitalaho fitia



Hiverina ho aty

Efa lavitra aho

Ka tsy hiverin-dalàna aho satria

Sasa-miandry ahy ilay tiako any

Partager tsy hitanao ny aleha (version 2002)

Commenter tsy hitanao ny aleha (version 2002)

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mage 4

Suite